Menaka Mahalava Volo

Menaka Mahalava Volo

Share

Ny Menaka tsoka pure

10/09/2026

🤎 « Ato aminareo ve misy ilay menaka napaniry ny sola ? »

Io no fanontaniana napetraky ny olona iray taminay. 🥹

Ary ny tena mahaliana azy?

Nisy olona nanome conseil azy hoe :
> « Ato mividiana, fa tato no nampaniry ny azy, raha nanana olana tamin’ny sola izy. »
🥹🤎

Ny recommandation dia isan’ireo zavatra tena mampifaly anay.
Satria rehefa misy olona manoro ny Menaka Mahalava Volo amin’ny olona hafa, noho ny zavatra hitany na niainany, dia porofo lehibe ho anay izany fa misy fahatokisana napetrakareo aminay. 🤎

Tsy vao izao no nisy ny recommandation fa hita matetika eny amin'ny vente-expo .

Ary amin’ireny fotoana ireny, mitsiky sy mirehareha sisa no azo atao. 🥹❤️
Tsy mila miteny be intsony hoe « tsara ny produit-nay »…
fa efa ianareo mihitsy no mitantara sy mifampizara expérience. 🌿

Ary ho an’ilay olona nanontany anay :
📩 Eny, misy ny Menaka Mahalava Volo, dit Menaka Tsoka. 🤎

Raha efa nampiasa ianao ka nahatsapa fiovana teo amin’ny volonao, aza misalasala mizara ny expérience-nao amin’ny hafa. 🤎

Satria mety ho ilay recommandation kely avy aminao mihitsy no hahatonga olona iray hahita routine mety aminy. 🌿

Ankasitrahana hatrany. 🍀

09/09/2026

“MISARAKORAKO - MIHOGNAHOGNA… 😂
Une des choses que seules les femmes aux cheveux longs et épais comprennent.”

07/09/2026

🌿Ny Farehitra ? Mahasolo après-shampoing ve ? Manao ahoana marina ? 👀

Fanontaniana mipetraka rehefa mahita ny Farehitra ianareo.

Ny valiny dia: tsy mitovy tanteraka ny rôle-ny. 🤎

Ny après-shampoing dia natao indrindra hampiasaina aorian’ny shampooing, mba hanampy amin’ny fikarakarana ny volo rehefa avy nosasana.

Ny Farehitra kosa dia gel capillaire végétal, natao indrindra hanampy amin’ny fikarakarana sy ny styling-n’ny volo. 🌿

Izany hoe, tsy hoe après-shampoing izy, fa azo ampiasana tsara aorian’ny shampooing, arakaraka ny besoin-n’ny volonao sy ny coiffure tianao hatao.

“Mitovy tanteraka amin’ny après-shampoing ve izy?”

👉🏽 Tsia, samy manana ny rôle-ny.

Fa raha manontany ianao hoe:
“Afaka mampiasa Farehitra ve aho rehefa avy nanasa volo?”

👉🏽 Eny avy hatrany ny valiny, afaka. 🤎

Manana safidy ianao: na ho akobana na avela tsy akobana ilay izy. 👇🏽

05/09/2026

🤎 Weekend izao… inona no ataonao amin’ny volonao? 👀

🫧 Mbola bain d’huile
🚿 Efa wash day
✨ Styling / coiffure
😌 Sa avelanao hiala sasatra aloha ny volo?

Team iza ianao amin’ity weekend ity? 👇🏽😂

04/09/2026

🤎 Ny fofon'ny Menaka Tsoka? Manahoana marina?

Fanontaniana tena matetika apetrakareo aminay io.

Satria raha efa naheno hoe Menaka Tsoka ianareo, dia mety hieritreritra avy hatrany hoe:
“Tsy maimbo hena ve izany?” 😅

Eny, marina fa ny Menaka Tsoka natoraly dia mety hanana fofona avy amin'ny akora niaviany.

Raisiko ohatra ny huile de coco : tsy azo antenaina hoe tsy hisy fofona coco mihitsy ny huile de coco iray. Misy anefa mahay mampalefaka ilay fofona, ary misy kosa mbola mamela azy ho tena heno be.

Toy izany koa ny Menaka Tsoka anay. Efa nandalo fanodinana natao hanesorana ilay fofona mahery, nefa tsy azo lazaina hoe tsy misy fofona tanteraka mihitsy izy, fa fofona tena kely sisa no tavela. 🤎

Azo ampiasaina avy hatrany ary tsy mavesatra rehefa eny amin'ny volo . Tena malefaka sisa ilay fofona tavela, ary mihena tsikelikely ihany koa rehefa mandeha ny fotoana, satria mora entin'ny rivotra. 🌿

Izany indrindra no antony anontanianay eto ny expérience-n'ireo efa mampiasa azy. 🤎

Ho anareo efa mampiasa Menaka Tsoka: ahoana no fahitanareo ny fofony? Mety aminareo ve izy? 👇🏽

01/09/2026

🤎 Misaotra anareo any amin’ny faritra rehetra noho ny fahatokisana anareo anay.

Na lavitra an’i Tana aza ianareo, dia miezaka hatrany izahay mba hahafahanareo mahazo ny Menaka Mahalava Volo any amin’ny faritra misy anareo. 🌿

Izahay mihitsy no miezaka mifantina tsara ireo coopératives andefasanay ny entana, mba hahazoanay antoka fa voaray tsara ny vokatra alefanay. 🤎

Ary ho anareo any Toliara manokana ❤️
Miezaka izahay ny hametraka ireo produits eo amin’ilay toerana nivaro­tantsika tamin’ny fandalovanay tany Toliara, mba tsy hanahirana anareo intsony ny manafatra produit aty Antananarivo.

Mbola misy ezaka sy fandaminana atao, fa ny tanjonay dia iray ihany :

✨ Hisy Point de vente daholo ny faritra rehetra. 🌿🤎

Misaotra indrindra tamin’ny fahatokisana sy ny soutien. ❤️

💐 Ankasitrahana hatrany oo.

01/09/2026

✨ Mahaiza misafidy.

Safidio tsara izay handehananao sy harahinao. 💛

Aza sodoka fotsiny hoe malaza… na koa hoe:
« TikTok-able na Instagramable, ka andao ! »

Fa anontanio aloha ny tenanao hoe:
Hitondra ahy aiza ity zavatra arahiko ity ? Tena ilaina ve?

🌿 Toy izany koa ny olona arahinao.
Tsy izay ataon’ny olona rehetra akory no voatery ho tokony harahinao ihany koa.

💭 Izay ny lesona androany : Mahaiza misafidy.

Ary raha resaka fikarakarana volo…
✨ Safidio hatrany ny Menaka Mahalava Volo. 🌿💛

💐 Ankasitrahana hatrany oo.

31/08/2026

✨ Gel Farehitra : manao ahoana marina ?
Somary maina ve ny volo rehefa mampiasa azy ? 👀

🌿 Ny Gel Farehitra dia natao hanampy amin'ny definition des boucles sy ny fixation. Rehefa ampiasaina irery anefa, dia mety hahatsapa volo ho somary maina ny olona sasany.

💛 Izay indrindra no antony tsara raha manao soin menaka aloha, vao mampiasa Gel.

🌿 Menaka aloha → Gel Farehitra avy eo.

✨ Raha Menaka Tsoka no ampiasainao amin'ilay soin aloha, dia maharitra andro maromaro (2–3 jours) ilay sensation de douceur-n'ny volo. 🌿

💐 Ankasitrahana hatrany oo 💛

Photos from Menaka Mahalava Volo's post 30/08/2026

🤔 Oviana indray hono izahay no manao Vente Expo ?

💭 Efa tamin'ny Juin no farany nihaonantsika tamin'ny Vente Expo…

Tsy niakatra mihitsy isika tamin'ny Juillet sy Août. 😅

✨ Ka ndao ary … asiana fihaonana amin'izay ny Septembre ! 💛

👀 Fa izao no tiako ho fantatra:

Inona avy ny produit na offre andrasanareo amin'ity Vente Expo manaraka ity ? 🌿

💬 Avelao ao amin'ny commentaire ny soso-kevitrareo 😊

💐 Ankasitrahana hatrany oo 🌿

29/08/2026

🌿 MENAKA MAHALAVA VOLO — FORMATS & PRIX 💛

Tsy maintsy anontanianareo anay foana ny formats sy ny prix an'ireo produits-nay, ka indro hita eto amin'ity publication iray ity izany 😊

💛 Menaka Tsoka
✨ 100 ml — 10.000 Ar
✨ 212 ml — 20.000 Ar
✨ 250 ml — 25.000 Ar

🌿 Farehitra Gel
✨ 1 paquet — 7.000 Ar

🧼 Savony Tsoka & Farehitra
✨ 90 g — 12.000 Ar

🌱 Samy manana ny fampiasana azy ireo produits ireo, ary afaka misafidy arakaraka ny routine sy ny besoin-n'ny volonao ianao.

📩 Raha te hanao commande na mila fanazavana momba ny produit iray na izy rehetra dia aza misalasala , mandefasa message aminay avy hatrany.

💐 Mankasitraka hatrany oo 🌿💛

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address


Ankadifotsy
Antananarivo
101